SIRA TSY MISY IODA SAIKA HAPARITAKA

Maro ireo nopotehana teto an-drenivohitra


  • Talata 04 Jona 2024

Marobe ireo sira tsy misy ioda saika haparitaky ny orinasa tsy miankina iray teto an-drenivohitra.

Tratra ny Zoma lasa teo izy ireo ka nopotehina na nanaovana ilay destruction par dissolution et incinération rehefa voatily sy voamarina. Ho fiarovana ny mpanjifa no antony nanatanterahan’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana izany, niarahana tamin'ny solontenan'ny ACSQDA sy ny tompon’andraikitry ny hetra natrehan'ny tompon'andraikitr'ilay orinasa. Tao amin'ilay toerana nametrahana ireo sira ireo ihany no nanaovana izany. Antoka iray lehibe ho an'ny fahasalaman'ny mpanjifa ny fihinanana sira misy ioda, raha tsiahivina. Sel de guérande 48 boaty milanja 250grama isanisany, Sel de mer gros La Baleine 352 pake milanja 1 kg ary Sel fin 41 boîtes milanja 250 grama isanisany no nodorana tamin’izany.
Pati
Legende : Nandritra ny famotehana ireo sira !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT