Sosialy

Sinto-mahery 67ha Mpangarom-paosy nifanenjehan’ny polisy ka tratra


  • Talata 09 Jolay 2019

Nampiaiky ny tany ama-monina sy ny mpandalo teny amin’ny faritra 67ha ny fifanenjehana teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ny mpanendaka.

 

 

 

 Ny zoma 5 jolay teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva, tovolahy iray no voasambotry ny polisy avy amin’ny boriborintany fahafito mahakasika ny resaka harom-paosy teny amin’ny fiantsonan’ny taksibe 147 amin’iny faritra 67ha iny. Araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena, nanararaotra ny hamaroan’ny olona eny amin’ny fiantsonan’ny taksibe ity tovolahy ity sady misikotra paosy. Nisy nahatsikarika izy ka niantso polisy nanao fanamiana nijoro tsy lavitra teo. Vao nahatsikaritra ireto polisy nanatona azy ilay lehilahy dia nirifatra nandositra ka raikitra ny fifanenjehana. Namakivaky ny arabe sy ireo fiara anaty fitohanana ary ny elakela-trano. Nentina avy hatrany tany amin’ny paositry ny polisy izy. Rehefa nataon’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana dia efa matetika izy no mangarom-paosy eo 67ha ary efa anisan’ireo efa ikoizana eo an-toerana.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT