Mahatratra 200 isan-taona ireo teratany sinoa miditra eto amintsika mba hivarotra na hitrandraka harena ankibon’ny tany.
Enim-bolana ka hatramin’ny roa taona no fe-potoana hahafahan’izy ireny manao izany eto amintsika raha toa ka mahafeno ny fepetra ny tsirairay. Ankehitriny dia efa marobe indray izy ireo no miandry izany. Manoloana ny firongatr’ilay Coronavirus any Sina anefa dia voatery nandray fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny i asa sy ny asam-panjakana. Naato vonjimaika ny fanomezana fahazoan-dalana azy ireny izay nomarihin’ny minisitry ny asa Rtoa Gisele Ramampy fa manan-kery mandritra ny fotoana tsy voafetra. Izany no natao dia hiarovana ny Malagasy amin’ireo Sinoa marobe mivoaka sy miditra eto amintsika. Tsiahivina moa fa tsy mitsahatra ny mitombo isa ireo olona lasibatry ny aretina coronavirus ankehitriny, antony mahatonga ireo firenena maneran-tany handray fepetra avokoa. Nisy ny fambolen-kazo notanterahin’ny ministeran’ny asa teny Ambohidranomanga ny faran’ny herinandro teo. Zanakazo 2.000 fototra no novolena tamin’ny tany 2 ha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.