Sosialy

Sigara Niaka-bidy nanomboka omaly


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Niaka-bidy avokoa ny vidin’ny sigara eny an-tsena nanomboka omaly zoma 11 janoary. Lasa 4.500 Ar ny iray fonosana raha 4.000 Ar teo aloha ary niakatra ho 250 Ar ihany koa ny singany iray.

 

 

 

Raha ny fanazavan’ireo mpivarotra nanaovana ny fanadihadiana dia tsy fantatra mihitsy izay antony nahatonga ny fiakarana. Ny mahavariana anefa, hoy ny mpivarotra enta-madinika iray etsy Anosy dia vao mainka mitombo indray ireo mpividy, indrindra ireo ankizy sy tanora. Raha ny fanazavan’ny filohan’ny  Ong Sahy  Haja Ramamonjisoa anefa dia efa fandresena lehibe ho an’i Madagasikara amin’ny ady hatao amin’ny fifohana sigara sy ny fandrapahana paraky izao fiakaran’ny vidiny izao. Tamin’ny taona 2008, tarehimarika navoakan’ny Global Youth Tobacco Survey dia nohazavainy fa nahatratra 19,83  % ireo tanora Malagasy efa nifoka sigara sy nandrapaka paraky,  tarehimarika izay  inoana fa miabo hatrany raha  ny tranga hita eny anivon’ny fiarahamonina. Miantso ireo ray aman-dreny hanome ohatra  tsara hatrany ny zanany ity filohan’ny Ong Ny sahy ity, toy ny fisorohana ny fanirahana  azy ireo hampirehitra sigara izay tena fakam-panahy lehibe tokoa, ny fanirahana zaza tsy ampy taona mandeha mividy sigara izay tena mahavoasazy ankoatra ny fananarana azy ireo mba hahay hifantina izay tena namany. Tamin’ny taona 2005 no nanao ny sonia fifanarahana momba ny ady atao amin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky isika eto Madagasikara.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT