Miezaka manolo-tanana ny tantsaha hatrany ny SFOI
na ny Société de fabrication de l'océan indien. Taorian'ny famokaran'izy ireo ireo fanondrahana vita amin'ny akora plastika dia fantatra ihany koa fa mamokatra gony azo hitehirizam-bokatra mafy sy mateza izy ireo. Tsy verivery fotsiny ny gony ka mety hiteraka fako eny rehetra hoy Rakotomanga Linda, tompon'andraikitra eo anivon'ny SFOI rehefa tsy ilaina intsony fa mbola azo hampiasaina haodina ho akora hanamboarana zavatra hafa indray. Tafiditra ao anatin'ny fiarovana ny tontolo iainana izay hiantsorohan'izy ireo avokoa izany rehetra izany. Manampy ireo orinasa madinika vao misondrotra ihany koa ny SFOI. Raha misy tantsaha mpamokatra tantely mila toro-hevitra amin'izy ireo ohatra mba hahafahany mitahiry ny vokany...dia afaka manampy sy manome toro-hevitra tsara izy ireo. Tanjony ny hanampy sy hanohana hatrany ireo tantsaha ho fampivoarana ny toe-karem-pirenena. Toraka izany ihany koa ny fandraisana anjara mavitrika amin'ny fiarovana ny tontolo iainana.
Pati
Légende : Mateza nefa azo haodina ho vokatra hafa koa ny gony rehefa tsy hampiasaina intsony !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.