Sosialy

SESAME Ambatoroka Mpiasa 50 mahery nofanin’ny CNaPS


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Nahazo fiofanana avy amin’ny CNaPS ireo mpiasa ao amin’ny « association SESAME » etsy amin’ny Campus UCM Ambatoroka. 50 mahery ireo mpiasa ao no nangataka te hahalala antsipirihany mikasika ny zon’izy ireo.

 

 

 

 

 Ka dia nidina ifotony teny an-toerana ny CNaPS foibe. Fandaharan’asa iray manampy ara-pianarana ireo tanora amin’ny anjerimanontolo ny fikambanana SESAME eny Ambatoroka. Manodidina ny 50 ny mpiasa ao aminy izay naniry te-hahafantatra bebe kokoa momba ny zon’izy ireo. Namaly ny hetahetan’izy ireo ny CNaPS foibe notarihin’ny tale teknika Rakotoary Nathy ka nanome fiofanana momba ny zo tokony ho azony sy ny adidin’ny mpampiasa tokony hefaina.Anisan’ireo mpampiofana andriamatoa Randriamanantena Miaramanana, lefitry ny lehiben’ny sampana fisotroan-dronono eo anivon’ny CNaPS foibe izay nilaza fa : “mbola latsaky ny 7% hatreto ireo mpiasa manana ny atao hoe fiahiana ara-tsosialy. Koa tsy mikely soroka ny CNaPS midina ifotony araka ny fangatahana ataon’ny orinasa, na ny mpiasa toy ny tety Ambatoroka”.Ny fanampiana rehetra eo anivon’ny CNaPS dia mila anaovana fangatahana avokoa, ary efa misy taratasy alaina maimaimpoana eny anivon’ny biraon’ny CNaPS manerana ny Nosy izay fenoin’ny mpandray zo fotsiny sisa. Ankoatra ny famenoana ny antontan-taratasy dia tsy maintsy manefa latsakemboka ny mpiasa sy ny mpampiasa satria iny no mivadika fanampiana ara-bola ho an’ny mpiasa sy ny vady aman-janany.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT