Sosialy

Serge Zafimahova “Hevitra hafa tadiavina fa tsy fampitrosana”


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Sao dia tokony hevitra hafa no tadiavina fa ho sahirana ny mpiasa hamerina izany na dia 0% azany zana-bola, hoy ny Fanehoan-kevitr’Atoa Serge Zafimahova eo anatrehan’ny vinan’ny fanjakana hampindrana vola ho an’ny mpiasa mpikambana ara-dalàna ao amin’ny CNaPS.

 

 

 

 Marina fa misy hamehana, fa misy hevitra hafa azo hanampiana ny vahoaka, hoy izy. Ny Amerikanina, ohatra, nanao vatsy, izay mitovitovy amin’ny vatsy tsinjo, misy vola omena mivantana. Ny any Ghana dia tsy mandoa jiro sy rano ny vahoaka,…. Ny antsika kosa fampitrosana, izay tsy eken’ireo sendika sy ny mpiasa nandoa latsakemboka tao amin’ny CNaPS hatreto. Manoloana ny fihetsiky ny Filoha Rajoelina kosa, dia politika ankampobeny no tantanin’ny Filoha, kanefa lasa miditra pitsopitsony amin’ny tsy anjarany, ka lasa “vulnerable” na marefo izy, raha ny fanehoan-kevitr’i Serge Zafimahova. Tokony ny Praiminisitra, ny mpikamban’ny governemanta, teknisianina no mandray ny andraikiny, hoy ity mpitarika ny vovonana Dinike ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT