Sosialy

Seraben’ny asa Hotanterahina any Toamasina ny andiany faharoa


  • Zoma 13 Septambra 2019

Mahatratra 4 tapitrisa ireo olona tsy an’asa eto amintsika. Ny 70 %-n’ireo dia tanora avokoa,

 

 

 raha araka ny fanazavana azo omaly ka tafiditra ao ireo nahavita fianarana nefa tsy mahita asa ankoatra ireo mirona anatin’ny asa fivelomana tsy ara-dalàna. Mba ho fanampiana azy ireny dia hotanterahina any Toamasina indray ny andiany faharoa amin’ilay seraben’ny asa. Ny 25 sy ny 26 oktobra ho avy izao no hanatontosana ny hetsika manoloana ny esplanade eo amin’ny hotel de ville. Mahatratra 150 ireo mpandray anjara  hitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany amin’ireo tanora any an-toerana ka anisany ireo hampianatra fotsiny momba ny fandrafetana CV. Manodidina ny 30.000 isa kosa ireo olona andrasana ho avy hitsidika ity hetsika ity. Ny minisiteran’ny asa, ny fampananan'asa; ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy moa no hikarakara ny hetsika izay manana tanjona hameno ny banga amin’ny filàn’ireo tanora momba ny asa eto amintsika.

 

Pati

 

Legende : Nandritra ny fanokafana ny seraben’ny asa andiany voalohany teto Antananarivo !( Sary  mpikarakara ny seraben’ny asa)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT