Sosialy

Sendikan’ny Polisy nasionaly Misy tsy ara-dalàna ny famindran-toerana ny polisy sasany


  • Alarobia 15 Septambra 2021

Mahazo vahana ny famindran-toerana ireo polisy eto an-drenivohitra sy ny any amin’ny faritra amin’izao. Misy tsy ara-dalàna anefa ny fanatanterahana izany hoy Randriamiarana Alphonse,

 sekretera jeneralin’ny sendikan’ny polisy nasionaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Analakely ny tenany omaly, notronin’ireo mpikambana marobe. Nambarany tamin’izany tsy manaraka ny didim-pitondrana laharana 2004-841 tamin’ny 31 Aogositra 2004 mihitsy ny zavatra hataon’ny ministera. Rehefa mandefa polisy iray hiasa sy hifindra toerana amina faritra iray mantsy hoy izy dia tokony amin’ny fotoana tsy hianaran’ny mpianatra no hanaovana izany.Tokony hiantohan’ny ministera ihany koa hoy izy ny fitanterana ny entan’ilay polisy, ny trano hivantanan’ilay fianakaviana any amin’ny toerana hamindrana azy satria mbola vao hitady trano izy ireo… Tokony hisy ihany koa hoy izy ilay tambin-karama mikasika ny halaviran-toerana izay samy tsy misy hataon’ny ministera. Misy amin’ireo polisy hafindra toerana araka izany no voatery mivaro-pananana mihitsy hahafahany mifindra na dia vao nakany vola tany amin’ny banky aza ny vola nividianana ilay entana. Nametraka fitoriana eny anivon’ny filan-kevi-panjakana moa ity sendika ity mikasika io zava-miseho eo anivon’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka io. Ankoatra izay dia hangatahin’izy ireo ihany koa ny hampiaharan’ny ministra ilay didim-pitsarana tokony hositrahin’ireo polisy manerana ny Nosy efa ho 18 taona izao. Ambany lalana avokoa hoy izy ireo ny rehetra eny fa dia ny ministra ankehitriny misahana ny polisim-pirenena io aza.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT