Sendikan’ny mpiasa

«Hafana ny 1 may amin’ity»


  • Talata 30 Aprily 2024

Nosokafana omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny varavarana misokatra ho fanamarihana ny andro

iraisampirenena ho an’ny asa na ny datin’ny 1 may. Sendika maro no nandray tao anatin’izany. Tsy misy izany hoe misy fotoana hahanginana ary misy fotoana hitenenana izany aty amin’ny fitarihana sendika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga. Maty ny mpiasa, hoy izy, raha vao mangina ny mpitarika sendika. Misy mpiasa tonga mitaraina foana isan’andro, manana olana. Misy hetsika atao mifanaraka amin’ny olana vahana foana isan’andro. 21 febroary dia efa nampiaka-peo ny Randrana sendikaly hoe hafana ny 1 may amin’ity taona ity noho ireo vary mangatsiaka be dia be tsy vita tamin’iny taona 2023 iny. Ny filoham-pirenena tsy niova. Ny praiminisitra tsy niova. Ny minisitra rahateo sady efa tao ihany na hoe «promotion interne» no sady sendikalista, izany hoe, heverina fa mahafehy tsara ilay tontolon’ny asa. Eto Madagasikara izao ny sekretera jeneralin’ny CSI Afrika. Isan’ny anton-diany ny hijery ny antsojay amin’ireo mpitarika sendika. Ao anatiny izany ny tenako, ry Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, ry Kamarady Sento, ry Gangstabab. Indrindra koa ireo delegen’ny mpiasa any anaty orinasa tsirairay. Aty amin’ny tontolon’ny asa izany no tena mipetraka izao ny hoe «Aty amintsika ny mason’izao tontolo izao!». Afaka 1 volana dia hoavy any Genève, Soisa, indray ny CIT na «conférence international du travail», izany hoe fihaonambe iraisampirenena momba ny asa. Tamin’ny herintaona izao nifanatrika na nanao «face à face» tamin’ny governemanta malagasy tany ny Randrana sendikaly rehefa tsy voavaha teto ny olana. Izay no ilazanay hoe hafana ny 1 may amin’ity, hoy hatrany ny sendika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT