Sendikan’ny mpiasa eto

Madagasikara Hampitoviana lenta ny fitarihana


  • Alakamisy 20 Novambra 2025

Birao miisa 180 avy amina sendikan’ny

mpiasa miisa 61 no tonga nanontrona ny fampiofanana natolotry ny SSM na Valaben’ny sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara tetsy amin’ny Havoria Anosy omaly. Izany fampiofanana izany, hoy ny filohan’ny SSM, Herizo Andrianavalona, dia mba hampitoviana lenta ny fitarihana sendika eto Madagasikara. Misy amin’ireo sendika, hoy izy, no ataon’ny lehibeny tsinontsinona dia matahotra noho ny tsy fahafehezany ny andinin-dalàna rehetra mikasika ny sendika izay na noho ny tsy fahafantarana ihany koa hoe ohatran’ny ahoana no toetra tokony ananan’izany mpitarika sendika izany? Na koa hoe ohatran’ny ahoana no itondràna fifandresen-dahatra ao anaty fitarihana sendika? Tokony hihazakazaka hiditra anaty sendika ny mpiasa satria ao no ahafahana miaro ny zony raha misy zavatra mahazo azy. Misy sendika nahomby hatrany ny fitakiany satria nisy paikady nampiasainy tao dia izay izany no ifampizaràna amin’ny namana rehetra. Miady ho an’ny toeram-piasàna koa ny sendika satria hitantsika ho efa marobe izao raha ny tranga farany toy ny JIRAMA dia miady ho an’ny toeram-piasàny izy satria voahoso-potaka foana amin’ny tolotra jiro sy rano nefa fantantsika tsara fa ilay orinasa mihitsy no tsy nitsahatra niha nitotongana noho ny politikan’ny fanjakàna nifanesy teo. Anjaran’ny sendika no miaro an’izany satria io no amelomany ny vady aman-janany. Marina ny fisian’ny sendika manao tohatra fiakaràna ny namany hitadiavana toerana na tombontsoa manokana nefa tsy ny rehetra no manao izany. Isany nampihemotra ny mpiasa tsy hiditra anaty sendika koa izay toetra izay. Hahafahana manova izany sy manatsara ny kalitao omen’ny sendika ny mpiasa indrindra no anton’ny fiofanana toy itony. Ny fifanarahana iraisampirenena laharana faha 154 dia manery ny mpampiasa aty amin’ny orinasam-panjakàna toy ny minisitera ihany koa sy ny mpiasa amin’ny alalan’ny sendika mba hifanatona sty hifampidinika. Rehefa tsy misy ny marimaritra iraisana vao tonga amin’ny fitokonana. Toy izay koa ny any amin’ny tsy miankina. Misy dingana maromaro tsy maintsy atao hisian’izay fifanakalozana izay mialohan’ny ahatongavana amin’izay fitokonana izay. Tafiditra anatin’izao fampiofanana izao ny fampianarana ny pitsopitson’ny lalàna rehetra. Mety eo koa ny tahotra rehefa mifanena amin’ny mpampiasa satria rehefa mifanena amin’ny mpiasa izy ireny dia mandrangaranga foana matetika hoe izy ireny no lehibe rehefa mifanehitra an-databatra. Izany rehetra izany no mila ny fiofanana toy izao ihany koa, hoy hatrany ny SSM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT