Sosialy

Sendikan’ny JIRAMA Mitaky ny hialan’ny Tale jeneraly


  • Alakamisy 28 Febroary 2019

Manome 48 ora ny Tale jeneralin’ny JIRAMA ny mpiasa mba hiala raha tsy izay dia hiroso amin’ny fitokonana faobe.

 

 

Efa nametraka ny taratasy eny anivon’ny Inspektoran’ny asa izy ireo ary tsy hihemotra mihitsy ny amin’ny fitakiana. Tsy fahaiza-mitantana, fanaovana tsinontsinona ny mpiasa sy ny maro hafa no anton’ny fanapahan-kevitra. Nilaza izy ireo tamin’ny fanambarana nataony omaly alarobia fa efa feno ny kapoaka ary tsy afaka handefitra intsony ny amin’ny tsy fahaiza-manaon’ny Tale jeneraly. Ho avy hanatevina ity hetsika fitokonana ity, hoy izy ireo ny mpiasa rehetra manerana ny Nosy raha mbola miziriziry amin’ny heviny io tompon’andraikitra io. Taorian’ny fitakiana nataon’ny polisy izany dia nijoro ihany koa ny sendikan’ny JIRAMA ny amin’ny hetahetany. Miandry hatrany ny fahaiza-manaon’ny fitondrana ny rehetra.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT