SENDIKA TRIADE

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !


  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso sy ny

mpanao kolikoly izahay hoy Filoha nasionalin’ny sendika Triade ny dokotera Tafika raha naneho ny heviny mikasika izany izy. Efa tena ampy ny ezaka hataon’ny Fitondrana Fanavaozana tarihin’ny kolonely Randrianirina Mickael hoy izy indrindra tamin’ny fijerena manokana ireo mpiasan’ny Fahasalamana. Tena nihaino izy ireo no sady niasa. Efa niakatra be ny karama raisina ary efa azo daholo ireo karazana indemnité toy ny indemnite de risque, ny indemnité de logement ao anatin’ilay 3F dia ny fanatsarana ny fari-piainana. Tsy tokony hisy mpiasan’ny fahasalamana hanao risoriso intsony noho izany. Ny antom-pisiantsika hoy izy niantefa tamin’ireto farany dia ny hampitombo ny tahan’ireo olona marary ho sitrana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampihenana ny tahan’ny aretina mba tsy hahafaty ny marary amin’ny alalan’ny fanentanana sy ny fandraisana an-tanana. Noraisin’ny Dr Tafika ohatra ny fampianarana ny olona mba hanasa tanana hatrany, hihinana sakafo ara-pahasalamana sy madio hatrany,.... Naverin’ity Filoha nasionalin’ny sendika Triade ity noho izany fa manana tamberim-bidy amin’ny fanjakana ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa hatolony ny vahoaka. Tsy miaro ny mpangalatra sy ireo mpanararaotra ny marary araka izany izy ireo fa miaro ireo mpiasan’ny fahasalamana tsy misitraka ny zony kosa.
Pati
Legende : Ny dokotera Ravelojoeliandriambelo aritafika, filoha nasionalin’ny Sendika Triade !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT