Sosialy

Sendika SVS- Asa fivelomana Mila havaozina ireo lalàna efa lany andro


  • Alatsinainy 09 Aogositra 2021

Miisa 388 ireo andininy ao anatin’ny lalàna mifehy ny asa eto amintsika ankehitriny. Ny mampalahelo anefa raha araka ny fanazavan’Atoa Barison Rakotomanga,

sekretera jeneralin’ny vovonana sendikaly SVS tamin’ny sabotsy teo dia mahatratra 53 be izao ireo lalàna efa lany andro ao anatin’izany ka tokony havaozina sy hatsaraina. Anisan’ireny ny fandroahana fahatany ireo mpiasa efa niasa 10 taona no mihoatra tamina orinasa iray. Toraka izany koa ireo miasa 6 taona amina orinasa iray nefa mbola tsy mpiasa raikitra hatrany foana. Any Guinée anefa raha araka ny fanazavany dia roa taona ihany ny mpiasa iray raha ela dia lasa mpiasa raikitra tanteraka koa ahoana no tsy hahavitantsika eto Madagasikara izany. Anisan’ny antony nikarakaran’ny sendika SVS ilay Tatasika sendikaly natombony tamin’ny sabotsy hariva teo izany teny amin’ny biraony eny amin’ny 67 ha. Rehefa tsy hihaino ny fanjakana hoy izy ireo dia ny mpiasa no ezahina hampahafantarina izany mba hahalalan’izy ireo ny tokony hataony indrindra manoloana ny antsojay hataon’ny mpampiasa. Hisy hatrany moa ity tatasika sendikaly karakarain’izy ireo ity ka ho an’ireo tsy afaka manatrika izany mivantana dia azony hatao ihany koa ny mandray fanazavana ao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook-n’ny sendika.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT