Sendika FISEMARE

«Tsy hisy fampandrosoana raha tsy ambony ny fahefa-mividin’ny vahoaka»


  • Talata 27 Febroary 2024

Tsy hisy fampandrosoana raha tsy ambony ny fahefa-mividin’ny vahoaka,

hoy ny Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera na FISEMARE. Mety hikarakara atrikasam-pirenena na «Colloque national» izahay, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael. Tsy vita mora nefa izany satria tsy tokony ny FISEMARE irery no hivoy azy fa tokony hiarahana amin’ny sendika namana. Ilay tomban’ny fandanian’ny mpiasa na «budget type» no ho voizina ao anatin’io. Isaorana ireo mpampiasa fa efa tena manaiky hoe tsy mahavelona ny mpiasa intsony ny karamany. Misy fiantraikany amin’ny famokarana, ny taham-pahaveloman’ny olombelona iray iny karama kely iny. Nanoso-kevitra koa ny FISEMARE tamin’ity taona ity hoe aza ny karaman’ireo «non cadre» na tsy mpitantana ihany no avoaka fa mba tokony hisy andininy na «article» mikasika ny fisondrotan-karaman’ireo mpitantana na «cadre» koa eo ambanin’ilay didim-panjakana. Na io resaka sokajy na «catégorie» io koa aza dia fotoana izao hanamboarana an’io. Izany sokajy M1 izany izao, raha ny lalan-tsaina nitondrana azy hatrany am-boalohany dia hoe asa sady tsy ilàna fahaizana no tsy ilàna herin-tsandry. Na ny mamafa trano aza nefa izao efa mila fahaizana, ohatra, ny resaka fampifangaroana ny vokatra ampiasainy hanadiovan-trano. Tsy misy asa tsy ilàna fahaizana izany intsony eto ambonin’ny tany. Sady ilàna fahaizana no ilàna herin-tsandry izao ny ankamaroan’ireo asa misy ka izay no ilàna ny fijerena ny tokony hanavaozana io resaka «catégorie» io koa. Eo amin’ny resaka ora iasana koa izao, taloha nolazaina fa 56 ora no tokony ho fotoana iasan’ny mpiandry tanàna na «agent de sécurité». Noheverina tsinona ireny taloha hoe mamoha sy manidy vavahady dia matory. Ankehitriny anefa ireny tena tsy mikipy maso mandra-paharain’ny andro. Ilàna mari-pahaizana, ilàna halavana, betsaka no ilaina ao ka izay no ilazàna hoe tokony ho betsaka ny fanavaozana atao eo amin’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara raha toa ka tiana ho tanteraka ny hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT