Sendika FISEMARE

“Tsy ampy hiatrehana vidim-piainana intsony ny fidiram-bola”


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Ho fanamarihana ny noely dia tetsy amin’ny CEG Betsimitatatra 67ha

no nizara vatomamy tamin’ireo mpianatra miisa 100 tao an-toerana ny FISEMARE na Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera ny faran’ny herinandro teo. Ny kely nanananay no natambatray, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael. Manararaotra koa izahay miresaka satria tsy misy resaka ny mikasika ny karaman’ny mpiasa ho amin’ny taona hoavy, hoy izy. Misoko miadana ny fiakaran’ny vidim-piainana ka anjaran’ny fitondram-panjakana no mifehy izany ary mampidina izany raha azo atao satria tsy ampy hiatrehana izany intsony ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano. Tsy tokony hiainga amin’ny resaka isan-jato intsony ny fampiakarana karama amin’ny taona hoavy fa tokony hampitoviana amin’ny fisondrotry ny vidim-piainana. Tokony apetraka eto amin’izay ny hoe karama mahavelona. Miantso ny mpampiasa sy mpiasa hifampidinika momba izany. Ny vokatra mitombo nefa ny karama tsy mitombo. Tokony foanana izany M1 sy M2 izany, izay midika hoe asa tsy mila fahaizana. Tsy lojika izany asa tsy mila fahaizana izany. Ny karama aloha no resahanay satria inoana fa rehefa milamina izay dia hilamina tsikelikely ny ambiny. Manana departemanta sosialy moa ny FISEMARE ary dia manantontosa asa sosialy in-4 na in-5 isan-taona. 67ha Andrefana sy Atsinanana no nahazo ny anjarany anio. Ho avy ny anjaran’ny fokontany hafa satria tianay ho apetraka am-pon’ny malagasy izany FISEMARE izany, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT