Sosialy

Sendika FISEMARE « Omeo fiahiana ara-tsosialy avokoa ny mpiasa rehetra »


  • Alarobia 03 Mey 2023

Raha tiana hisy marina ny fampandrosoana eto Madagasikara ho an’ny sendika FISEMARE dia ny asa hiveloman’ny isam-baravarana no tokony hasiam-panamboarana.

Tafiditra ao anatin’izany ny famoahana ilay decret momba ny karama farany ambany indrindra eto Madagasikara sy ny famoronana asa vaovao. Hampiharo ho an’ny rehetra ny asa mendrika sy mahavelona hoy ny sekretera jeneraliny Mananandro Jean Raphael. Mbola tena tsy misy izany eto amintsika raha araka ny fanazavan izay tsy tokony ho an’ny mpiasam-panjakana irery ihany fa hampisitrahana ihany koa na dia ireo mpiasa eo anivon’ny sehatra tsy miankina sy ireo heverina ho tsy manara-dalana. Nosinganiny manokana tamin’izany ireo mpanasa lamba. Toraka izany koa ireo mpivarotra amoron-dalana,….Tokony handray vola fisotroan-dronono izy ireny ho an’ny FISEMARE, ny fiahiana ara-tsosialy momba ny fahasalamany raha sanatria tojo aretina izy….Notsindriany moa fa 1 tapitrisa Ar hatreto no karama farany ambany indrindra tokony hositrahan’ny mpiasa Malagasy iray.
Pati*
Legende : Ny sekretera jeneraliny Mananandro Jean Raphael (ankavia)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT