Sendika FISEMARE

“Ohatran’ireny heloka bevava ireny ilay maneho hevitra!”


  • Talata 10 Oktobra 2023

Lasibatra foana hatramin’izay ny mpiasa na misy grevy na tsia, hoy ny Firaisamben’ny sendika malagasy

revolisionera na FISEMARE. Raha vao tsy mihatra amin’ny ambaratongam-pitondrana ny lalàna dia misy fiantraikany aty amin’ny tontolon’ny asa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphaël, satria miara-tsy manaja lalàna daholo ny avy any ambony hatrany ambany. Zo fototra izany manao filaharana an-dalambe na maneho hevitra izany. Raha voasakantsakana koa io dia mbola misy fiantraikany amin’ny mpiasa. Tamin’ny fetin’ny asa ny 1 may izao narirarira ny mpiasa hankalaza izany. Nampitahorina mihitsy aza! Niroso ihany moa ny fitambaran’ny sendika teto Madagasikara. Tsy vao androany no nisy fampiasana hery famoretana. Na eny amin’ny tontolon’ny asa aza io misy. Mahagaga ihany hoe mpitandro filaminana misaro-tava no midina eny an-dalambe manaparitaka mpanao fihetsiketsehana. Ohatran’ireny heloka bevava ireny ilay maneho hevitra! Tsy afa-miala moa ny sendika satria olompirenena ihany koa ary araka ny efa nambara teo dia miantraika aty amin’ny tontolon’ny asa ilay zava-misy, hoy hatrany ny FISEMARE nanamafy fa tsy maintsy hisy fanapahan-kevitra iraisan’ireo sendika rehetra manerana ny nosy ato ho ato.
J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT