Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny tsangambaton’ny FISEMARE na Firaisamben’ny
sendika malagasy revolisionera ao Ambanintsena. Ho fampahafantarana ny fisian’izany FISEMARE izany eto Madagasikara no antony, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendikà ity, Mananandro Jean Raphael. Tanjona, hoy izy, dia ny ampahafantatra ny rehetra fa tsy fahavalo ny sendika fa mpiara-miombon’antoka mandala ny dinika sosialy. Tsy mijanona amin’ny tanan-dehibe ihany ny FISEMARE fa mielim-pantrana manerana ny nosy. Ny tantsaha koa dia heverina ho mpiasa tokony hisitraka ny zony. Nahazo fehezan-dalàna mifehy ny asa vaovao moa isika izao. Mandeha ny filazàm-baovao be dia be hoe tsara izany. Hitondra inona nefa ny lalàna rehefa tsy mihatra? Aty amin’ny lalam-pirenena faharoa na RN 2 isika izao, mizotra any Toamasina, izay misy ny orinasa SMMC. Amin’izao fotoana izao ireo solontena sendikaly izay notazonina am-ponja vonjimaika dia noroasina ny 22 may 2025 lasa teo. Antony voalaza na «motif de licenciement» dia hoe tsy tonga niasa nandritry ny 1 volana ireo mpiasa ireo. Mazava nefa ny voalazan’ny fehezan-dalàna mifehy ny asa vaovao dia ny 2024-014, andininy faha 31, andalana 12 fa fampiatoana fifanarahana ara-kasa no azon’ny SMMC atao fa tsy fampitsaharana izany. Nataonay inona izany ny fahalalana mikasika ny fehezan-dalàna mifehy ny asa ny fifanarahana iraisampirenena momba ny asa raha ohatra ka misy orinasa manitsakitsaka izany lalàna izany? Iza no tomponandraikitra tokony ho sarompiaro amin’ny fampiharana izany lalàna izany? Eo ny mpiasa, ny mpampiasa, ny fitondràm-panjakàna. Tsy ampy 14 volana no nitazonana ireo mpiasa ireo tany am-ponja kanefa dia noroasina. Tsy misy tomponandraikitra afaka manitsy na mampianatra ny orinasa SMMC ve satria tena tsy azo heverina izao hanaovany ny mpiasa ao izao? Efa nanao antso ho an’ny tomponandraikitra, ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny minisitra isan-tsokajiny, ny solombavambahoaka, ny ben’ny tanànan’i Toamasina izahay saingy arakaraka ny antso nataonay no vao mainka nahatonga ny SMMC nanangam-bovona. Izao io orinasa io mangataka ny hitsaràna ny raharaha aty Antananarivo. Ao Toamasina ny orinasa nefa no miorina. Ao koa no misy ny raharaha. Malahelo izahay raha vahoaka malagasy mitaky ny zony no atao tsinontsinona tahaka izao. Miantso izahay hoe mbola misy tomponandraikitra afaka manarina ny tontolon’ny asa eto Madagasikara ve eto, hoy hatrany ny FISEMARE?
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.