Sendika FISEMARE

“Loza mitatao no manoloana antsika malagasy”


  • Alakamisy 19 Oktobra 2023

Loza mitatao no manoloana antsika malagasy, hoy ny Firaisamben’ny sendikan’ny mpiasa malagasy

revolisionera na FISEMARE tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Anjanahary omaly. Mbola ao ve ny fanahy maha olona, hoy izy ireo? Very tanteraka ny zon’olombelona. Manoloana ny fikorontanana iainantsika vahoaka malagasy manoloana izao fifidianana izao dia fanontaniana no apetrakay. Aiza isika izao ary andeha ho aiza? Hita sy tsapa fa misy fiantraikany amin’ny tontolon’ny asa sy fiainana andavanandro ny zava-misy ankehitriny. Miha mihena ny entana hafarana hiala eto Madagasikana na tsy misy mihitsy aza fa miandry ny fahavitan’ny fifidianana ara-dalàna. Miroso amin’ny fandefasana fampiatoana tekinika ny ankamaroan’ny orinasa. Ahiana hiafara amin’ny fanakatonana orinasa izany. Zava-dehibe ho anay mpiara-miombon’antoka sosialy ny fisorohana krizy politika lavareny toy ny efa nisy hatrizay ary mbola fery tsy sitrana zakain’ny mpiasa malagasy madinika hatramin’izao ka mahatonga anay ho saropiaro amin’ny fanajana zon’olombelona sy ny fametrahana tany tan-dalàna eto Madagasikara. Raha sanatrian’ny vava ho tonga tokoa ny krizy vaovao indray dia tsy ho azo ihodivirana ny fiantraikany ratsy rehetra, indrindra, ny ara-toekarena, asa, fihariana. Hikatona ny orinasa rehetra. Ho very asa ny ankamaroan’ny mpiasa malagasy. Miantso ny amin’ny hitandroana sy hiverenana amin’ny fanajana lalàna velona, noho izany, ny FISEMARE. Miantso ireo kandida sy mpanao politika hifandinika an-databatra boribory an-kitsi-po sy am-pahamarinana ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Miantso ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fahalalahana maneho hevitra. Aoka izay kandida lany eo mba tena hijery izay rafitra mety amin’ny filàn’i Madagasikara. Izahay sendika dia milaza ny zava-misy fa tsy hoe tekinisianina akory! Mahatsapa ny zava-misy kosa anefa! Mino izahay fa raha voavaha io fototra io dia voavaha ny olana, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT