Sendika FISEMARE

«Efa ireo mpivarotra an’arabe izao no maro an’isa»


  • Alatsinainy 18 Martsa 2024

Nisy ny hetsika fizarana vovon-tsavony sy savony ho an’ireo mpanasa lamba

notontosain’ny Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera na FISEMARE teny Anjanahary ny sabotsy teo. Aleonay izahay mihitsy, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Mananandro Jean Raphael, no midina ifotony mizara azy ity mba ialana amin’ny hoe tsy mpanasa lamba akory nefa nahazo. Tamin’ny fotoana nanasan’izy ireo lamba mihitsy, hoy izy, no nizaranay ny karatra hisitrahana izany fanomezana izany. Nohadihadiana mikasika ny filàny izy ireo dia izay no anton’izao fanomezana izao. Mbola anaty fankalazana ny 8 martsa na andron’ny vehivavy rahateo isika fa entina hanehoana koa izao fa mijery ny mpiasa tena koa ny sendika. Antso amin’ny fitondram-panjakana koa izay hoe mba tokony jerena koa izy ireny fa tsy hoe ny mpiasam-panjakana sy tsy miankina ihany satria samy mampandroso sy mandray ny andraikiny ireo. Ho jerena amin’ny fomba rehetra aorian’izao hoe ahoana no hisitrahan’ireo fiahiana ara-pahasalamana? Ny olona iray tsinona raha miditra hopitaly dia 300.000 Ariary isan’andro ny fanampin-drivotra na «oxygène» fotsiny. 250.000 Ariary nefa ny karama. Ahoana moa no hahaveloman’ilay olona? Ny olona maty hitantsika eny izany mety tsy voatery hoe lahatr’Andriamanitra fa noho ilay tsy fananana. Raha tiana izany ny hampandroso ny firenena dia mila ampiakarina ny fahefa-mividy, fehezina ny vidim-piainana. Lasa natokana ho an’ny manan-katao ny hopitaly sy fianarana eto. Fokontany miisa 50, misy avy any Avaradrano, avy eto an-drenivohitra, misy atsimondrano no misitraka izao fanampiana izao. Miisa 300 izany ireo mpanasa lamba nisitraka ny hetsika anio (TTF: ny sabotsy teo). Olona 10 isaky ny fanasan-damba na «bassin». Misy fokontany eto tsy manana afa-tsy «bassin» iray. Misy 2. Misy tsy manana fa manasa amin’ny rano mandeha, izay mety maloto nefa, ireo mpanasa lamba. Nampahafantarina azy ireo na izany aza ny zony tokony hisitraka fiahiana ara-pahasalamana sy ara-tsosialy. Tsy tantsaha intsony no maro an’isa izao fa mpivarotra an’arabe. Tsy mpivarotra amoron-dalana intsony fa an’arabe izao no maro an’isa. Tanjona ny hamondrona azy ireo amin’ity taona ity satria misy sampana medikaly mampifandray ireo orinasa any fa misokatra ho an’ny mpiasa tena. 19.000 Ariary isam-bolana nefa ny latsak’emboka amin’io ary tsy ho zakan’ny mpanasa lamba izany satria 100 Ariary ny lamba iray. Anjaranay, noho izany, ny mamondrona azy hanangana azy ho ara-panjakana. Anjaranay koa avy eo no mitady famatsiam-bola amin’ny mpiara-miombon’antoka mba hanamaivana ny fahafahany misitraka an’izay fiahiana sosialy izay, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT