Sosialy

Sendika eto Madagasikara Efa maherin’ny 400 isa


  • Zoma 17 Desambra 2021

Tafapetraka ny drafim-pitantanana iatrehan’ny Randrana sendikaly ny 3 taona, izany hoe 2022-2025. Hametrahana ihany koa izany ny rafitra iatrehana ireo tolona sendikaly marobe satria hafanafana ny tontolon’ny asa eto

 Madagasikara amin’io taona 2022 io, hoy izy ireo. Eo ny resaka volan’ny CNAPS, ny lalana mifehy ny asa, ny lalana mifehy ny fitrandrahana, ireo fifanarahana iraisampirenena rehetra. Ankoatran’izay moa izany ireo olan’ny mpiasa iainany isan’andro eny amin’ny toeram-piasany eny. Napetraka ny drafitra sy ny rafitra miisa 3 mazava ao anatiny ao dia ny mpamolavola sady mpanapa-kevitra, mpamolavola sady mpanolo-kevitra, mpanatanteraka sy mpanolo-kevitra. Ny fiatombohan’io taona 2022 io no hanolorana ireo olona handrafitra izany. Mametraka drafitra enti-miady hatrany ihany koa izahay isan-taona ary manentana ireo mpiasa mba hiditra sendika tsy amin-tahotra amin’izay satria efa miisa 400 mahery ny sendika eto Madagasikara ka misy isafidianana tsara, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT