Sosialy

Sekretera mpanatanteraka vaovaon’ny BNGRC « Hanao laharam-pahamehana ny fitantanana mangarahara »


  • Sabotsy 13 Aprily 2019

Tontosa omaly tetsy amin’ny birao nasionaly misahana ny loza sy tandindon-doza na BNGRC etsy Antanimora ny fifamindram-pahefana teo amin’ny sekretera manatanteraka teo aloha, Thierry Venty sy ny vaovao, Elac Olivier Andrianjaka. Hatao laharam-pahamehana, hoy ny sekretera mpanatanteraka vaovao, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka satria matetika misy ny tsy mahafa-po azy ireo.

 

Eo amin’ny fampiasana ireo fitaovana, ohatra, ny fiarakodia dia samy manana ny asa natokana ho azy ka tokony ho hajaina izany. Hanao laharam-pahamehana ny fitantanana mangarahara ny tenako, hoy izy. Eo ihany koa ny lafiny fandrindrana mba tsy hifanitsaka ny anjara asan’ny BNGRC sy ny an’ireo mpiara-miombon’antoka. Io ilay antsoina hoe “leadership fort”. Ezahana ny hanamafisana fanarenana ny tsy mety na ny “reconstruction” toy ny fisorohana mialoha ireny tranga teny Ampa hiarahan’ny marinana ireny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT