Ankehitriny dia mandalo ady sarotra ihany koa ny eo anivon` ny sekoly tsy miankina.
Tapaka fidiram-bola ireo mpampianatra manao “chargé de cours”. Ireo mpitantana sekoly moa na dia te hanampy ireo mpiara-miasa aminy dia misy ireo tsy afa-manoatra raha misy hitady “avance” amin` izy ireo manoloana izao fihibohana izao eto Antananarivo sy Toamasina. Etsy ankilany, ireo Ray aman-dreny koa dia tapaka fidiram-bola, ary tsy afaka handoa saram-pianarana.. Ho an` ireo sekoly manofa trano dia mety hisy fifanarahana manokana amin` ny tompon-trano vao mety ho tafavoaka, raha manaiky ilay tompon-trano. Etsy andaniny, ny “vacation” zara fa zaraina. Betsaka ny mpampianatra nanao mpitsara (jury) sy mpitsara laza adina (correcteur) nandritra ireny fanadinam-panjakana ireny kanefa tsy mbola nahazo tambin-karama. Noho izany, tsy tokony isan` ireo nampidirina ao anatin` ny drafitra ara-tsosialy ve ny mpanabe, indrindra fa ireo ao amin’ny sehatra tsy miankina ? Tena ilaina sady manana ny toerany amin` ny fampandrosoana ny mpanabe. Tsy misy teknisianina, mpiasa birao, talen'orinasa, mpitsara, manamboninahitra, minisitra, eny, tsy nisy koa filoham-pirenena raha tsy nisy Mpampianatra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.