Sosialy

Sekoly Sainte Famille Mahamasina Mpampianatra 47 notolorana mari-boninahitra


  • Alakamisy 16 Mey 2019

Fotoana nanan-danja ho an’ireo sekoly lasalianina miisa 12 tantanan-dry frera manerana ny Nosy ny datin’ny omaly alarobia 15 mey.

 

 

 

Ankoatra ny fankalazan’izy ireo ny faha-100 taona nahafatesan’ny masindahy Louis Raphael  Rafiringa sy ny fahafolo taona naha olon-tsambatra ity farany mantsy dia nomarihina omaly ihany koa ny taon-jaobily faha-300 taona nahafatesan’ny masindahy Joany badista de lasalle  izay mpiaro ny mpanabe sy ny fahaterahany tany an-danitra.  Fizarana mari-boninahitra ho an’ireo mpanabe nahavitabe miisa 47 teo anivon’ny sekoly  Institution Sainte Famille Mahamasina no nentin’ity sekoly iray ity nanamarihana izany omaly sady nampirantiana ireo zava-bitan’ny mpianatra ao amin’ny sampana teknika ihany koa. Nambaran’ny frera Tolojanahary  Zo Michel izay, provizera eo anivon’ny sekoly iray ity fa mampiavaka azy ireo ny fitaizana ara-panahy sy vatana ary saina omena ny mpianatra.

 

Pati 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT