Sosialy

Sekoly ambony UPRIM Namoaka tanora manam-pahaizana 173 mianadahy


  • Alarobia 11 Martsa 2020

In-telo isan-taona no mamoaka mpianatra nahavita fianarana ny sekoly ambony UPRIM etsy Andavamamba. Tamin’ity taona 2020 ity dia tamin’ity volana martsa ity no namoahany ny andiany voalohany izay nisy mpianatra 173 mianadahy.

 

 

 

 

Notolorana ny mari-pahaizana DTS  ny andiany misalotra ny anarana “Salohy” raha notolorana ny mari-pahaizana licence kosa ny andiany “Fanantenana” rehefa avy nianatra sy nandalina ny lalam-piofanana gestion et management, ny commerce et marketing, ny droit ary ny communication tao anatin’ny roa sy telo taona katroka. Raha araka ny fanazavan-dRakotovaoarison Haingo Nadia, filoha tale jeneralin’ny sekoly dia misy amin’ireo mpianatra ireo no efa nahita asa taorian’ny fanazaran’asa efa nomena azy raha misy ihany koa ireo mbola hanohy. Misy hatramin’ny bacc+5 mantsy ao amin’ity sekoly ambony iray ity ka ho an’ireo sahirana ara-potoana dia efa misy ihany koa ny fampianarana hampitain-davitra ka sady afaka mianatra izy ireo no miasa mitady vola. Notanterahina nanomboka ny alatsinainy 09 martsa lasa teo moa ny fidirana manaraka ary mbola mitohy ny fisoratana anarana ho an’ny taona voalohany, faharoa ary fahatelo.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT