Sosialy

Sehatry ny sôkôla sy laron-tsakafo Hanompanan’ny USAID 5,8 tapitrisa dolara ny “Alliance Tsiro”


  • Talata 30 Novambra 2021

Raikitra ny fandaharan’asa “Alliance TSIRO", fiaraha-miombona antoka vaovaon’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena na ny USAID amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina,

 miompana amin’ny sehatry ny sôkôla sy ny laron-tsakafo. Hanatsara ny fidiram-bolan'ny tantsaha maherin’ny 2000 mahery amina vondrom-piarahamonina 30 eo, izay hamboly hazo maherin'ny 1,5 tapitrisa. 5,8 tapitrisa dolara ny sandan’ny fiaraha-miombon’antoka haharitra dimy taona, hanamafisana ny sehatry ny sôkôla sy ny laron-tsakafo, hiarovana ny hamaroan’ny zavaboahary eto Madagasikara,... Ny « Alliance TSIRO » dia misolo tena ny Fikambanam-pampandrosoana maneran-tany HEARTH (Ecosystems and Agriculture for Resilient, Thriving Societies), hetsika iray iarahan'ny USAID sy ny sehatra tsy miankina miasa mba hamantarana sy hiatrehana ireo fanamby amin'ny fampandrosoana amin'ny alalan'ny fiaraha-miombona antoka mahasoa ny tsirairay. “Mihevitra ny USAID fa ny sehatra tsy miankina dia hery matanjaka amin’ny fampivoarana ny toekarena, ny famoronana asa, ary ny fampivoarana ny fahafahana manatsara ny fiadanan-tsain’ny vahoaka sy ny fiarahamonina,” hoy ny tale jeneralin’ny USAID Madagascar John Dunlop. Mampiray ireo orinasa tsy miankina eto an-toerana sy any ivelany sy ireo fikambanana tsy mikatsaka tombony miasa eo amin'ny sehatry ny sôkôla sy ny laron-tsakafo ity “Alliance TSIRO” ity, ahitana ny Catholic Relief Services (CRS), ny Fine Chocolate Industry Association (FCIA), Beyond Good, Guittard Chocolate, Akesson's Organic, ary ny Heirloom Cacao Preservation Fund (HCP). Mpiara-miasa ara-teknika kosa ny Centre ValBio sy ny Zoo Bristol…. Ahitana karazana cacao tsy manam-paharoa eto Madagasikara, antsoina hoe criollo, tsy dia fahita firy sady malaza noho izy misy tsirom-boankazo ary mahasarika ny orinasa mpamokatra sôkôla maneran-tany. Any amin’ny tandavan’alan’i Tsaratanana sy Fandriana Vondrozo no hambolena cacao sy laron-tsakafo, araka ny rafitra “agroforesterie”, ary manaraka ny drafitry ny Alliance hiaro ny hamaroan’ny zavaboahary sy ny filàn’ny sehatry ny sôkôla momba ny varotra…. Efa ho 60 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny governemanta sy ny vahoaka Amerikanina ho an’ny tetikasa fanamafisana ny fitantanana ny harena voajanahary, hanatsarana ny fivelomana ary hanohanana ny fiarovana ny hamaroan’ny zavaboahary hatramin’ny taona 2013, hoy ny USAID.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT