Sosialy

Sehatry ny fananan-tany Ny 20%-n’ny tany eto ihany no misoratra amin’ny Malagasy


  • Talata 25 Aprily 2023

Mbola olana goavana ny fanoratan’ny Malagasy ny taniny amin’ny anarany eto amintsika. Vao ny 20 %-n’izany monja mantsy no misoratra amin'ny tompony hatreto.

Tsy misoratra amin’ny taniny, araka izany, ny 80 % Malagasy. Milaza ny hanao ezaka ho enti-mamaha izany olana goavana izany ny Fitondram-panjakana ka anisan’ireny ny fanomezana sy fanoratana ho an’ny Malagasy ny taniny . Lohalaharana amin’ireny ny tany mbola tsy vita titra na kadasitra, ny tany tsy misy tompony sady tsy tanim-panjakana, ny tany tsy misy fiangonana na fasan-drazana, ary ny tany tsy tafiditra ao anatin'ny valan-javaboahary arovana. Izay olona nanajary izany nandritra ny 5 taona raha kely no afaka hisitraka izany amin’ny anarany madiodio. Malagasy 2 tapitrisa no kendren’ny Fanjakana hahazo kara-tany hatramin’ny faran’ity taona 2023 ity. Heverina ho 1 tapitrisa isan-taona kosa no hisitraka izany manomboka amin’ny taona 2024. Ho fanentanana ny Malagasy mba hazoto hanoratra amin’ny anarany ny taniny moa dia nisy ny fikarakarana hetsika herinandron’ny kara-tany omaly tetsy amin’ny lapan’ny tananan’Analakely. Tonga nanokatra izany ny praiministra Ntsay Christian. Tantsaha miisa 50 moa no nisitraka kara-tany omaly, hetsika izay hotanterahina manerana ny distrika 119.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT