Sosialy

Sehatra tsy miankina Tsy voahaja ny zon’ny mpiasa, mihetsika ny FISEMA


  • Sabotsy 11 Aprily 2020

Namoaka fanambarana ny vondron` ny kaonferasionina hivondronan` ny sendikàn` ny mpiasa eto Madagasikara (FISEMA) manoloana ireo tsy fanajàna ny zon` ny mpiasa ataon` ireo orinasa tsy miankina sasany amin` izao fahamehana ara-pahasalamana izao.

 

 

 

 Fandrahonana, fandroahana mpiasa amin` ny tsy antony… ireo dia santionan` ireo fandikan-dalàna sy herisetra ataon` ireo mpampiasa. Ho an` ny FISEMA, tsy voahaja ny fepetra napetrakin` ny fanjakana manoloana izany rehetra izany. Tsy misy koa ny finiavana mba hisian` ny fifampiresahana, etsy andaniny. Noho izany, mitaky fampiharana lalàna ary tsy hasiana fanavahana momba ny fandraisana an-tanana ara-tsosialy. Manao antso avo amin` ny ministeran` ny vola sy ny ministeran` ny asa sy ny lalàna sosialy ny FISEMA mba hampihatra ny naoty 027-MTEFPLS/2020 tamin` ny 26 Martsa 2020 sy izay tapaka tamin` ny fivoriana natao ny 23 martsa 2020 izay niarahana tamin` ny sehatra tsy miankina. Ankoatra izay, miantso kongresy nasionaly misahana ny asa mba hahafahana mametraka paikady aorian` ny fiatrehana ny aretina “coronavirus”. Manentana hatrany ny vahoaka ny FISEMA, indrindra ireo mpiasa, mba hitandrina ireo torolanana natao hiarovana mba hanaraka an-tsakany sy an-davany ireo toromarika hiarovana ny tenany amin` ny valanaretina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT