Sosialy

Sehatra tsy miankina Tsy vita ny mampihatra ilay karama farany ambany 250 000 Ar


  • Zoma 12 Mey 2023

Niaiky ny avy eo amin’ny vondron’ny orinasa Malagasy na ny GEM fa tena tsy mbola tratra ilay karama farany ambany 250 000 Ar amin’ity taona ity.

Azo eritreretina kosa anefa hy hampiharana izany amin’ny 2024, hoy ny filohan’ny GEM Thierry Rajaona omaly. Etsy ankilan’izay dia tsy mbola namoaka tamin’ny fomba ofisialy ny karama farany ambany ny fanjakana ; hatreto aloha dia 230 000 Ar no karama farany ambany efa niresahan’ ny mpiasa sy ny mpampiasa rahatoa ka 217 000 Ar io teo aloha, nisy fiakarany 10 % izany , hoy ry zareo avy ao amin’ny GEM. Efa nihaona tamin’ny filoham-pirenena ny vondron’ny mpandraharaha sy tompona orinasa , saingy tena nilaza ny GEM fa tsy ho tratra aloha ilay 250 000 Ar amin’ity 2023 ity fa aleo amin’ny herintaona, fa raha vonona moa ny fanjakana hanampy dia raisina an-tananan-droa , saingy hita hany koa anefa fa sahirana ara- bola ny fanjakana .
FAHASAHIRANANA ISAN’ANDRO
Hita sy tsapa ho miantraika any amin’ny fitadiavana sy ny paosy, ary miantraika any amin’ny ati-vilanin’ny isan-tokantrano ilay fahasahiranana iainana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Tena tsy tafavoaka raha tsy mitrosa kely etsy sy eroa, manoratra amin’ny karne eny amin’ny épicerie dia miezaka mandoa vola rehefa mandray karama, hoy ny renim-pianakaviana iray. Zara raha mahatody hatreo amin’ny faha-10 n’ny volana ny karama raisina, izany hoe voaloa ny hofan-trano, Jirama sy ny saram-pianaran’ny ankizy dia efa manidy ny am-pelatanana. Maro anefa ireo fianakaviana efa mandeha an-tongotra fa tsy mandeha taxibe intsony noho ilay saran-dalana 600 Ar izay tena mafy rehefa hoe mandroso sy miverina na voatery mandeha Taxi be roa samihafa. Ny tena manahirana koa anefa, raha ny firesaky ny tompona orinasa iray dia misy akony any amin’ny asa ilay fahasahiranana ; ka mismisy ihany ireo mpiasa no tsy mahatratra araka ny tokony ho izy ny tanjona napetraka taminy.
Legende : Atoa Thierry Rajaona, filohan’ny GEM
Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT