Sehatra tsy miankina

Mandeha ny dingana


  • Talata 10 Febroary 2026

hampiakarana 300 000Ar ny karama farany ambany

Nifarana tamin’ny fifanarahana manan-danja ny fifampidinihana teo amin’ny solontenan’ny tsy miankina nahitana nahitana ny mpampiasa sy ny mpiasa eto Madagasikara mikasika ny karama ho an’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Taorian’ny fifanakalozan-kevitra indroa miantaona, dia nisy marimaritra iraisana teo amin’ny Groupement des Entreprises de Madagascar (GEM), ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy (FIV.MPA.MA) ary ny Conférence des Travailleurs de Madagascar (CTM) mikasika ny karama farany ambany. Raha tsiahivina, ny taona 2025 dia tsy nahafahana nandray fanapahan-kevitra noho ny fiatoan’ny AGOA sy ny olana ara-toekarena iraisam-pirenena. Na izany aza, tamin’ity taona vaovao ity dia naneho fahavononana sy fandraisana andraikitra ireo solontenan’ny mpiasa sy ny mpampiasa ka nahatonga ny fifanarahana ho tanteraka. Tapaka fa ny karama farany ambany ho an’ny sokajy M1 dia ho 300.000 Ariary, ary nampakarina mifanaraka amin’izany ny an’ireo sokajy hafa rehetra. Tsiahivina fa teo amin’ny 260000Ar ny karama farany ambany teo aloha. Voafaritra ihany koa fa hanomboka hampiharina ny 01 Martsa 2026 izany fanitsiana izany. Mbola hatolotra hankatoavin’ny Conseil National du Travail et de l’Emploi (CNTE) anefa io alohan’ny hampiharana ofisialy azy. Heverina ho dingana lehibe amin’ny fiarovana ny zon’ny mpiasa sy ny fanamafisana ny fifampitokisana l eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa, ary maneho fa na dia eo aza ny sakana ara-toekarena sy iraisam-pirenena dia mbola azo tanterahina ny fifanarahana ho an’ny tombotsoan’ny mpiasa tsy miankina, na mety hiviny ihany aza eo anatrehan’ny vidim-piainana ankehitriny. Io izany no heverina fa fijerena sy fampisitrahana tombotsoa ho an’ny tsy miankina taorian’ny fampiakarana 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT