Sosialy

Sehatra nomerika Tsy takatry ny maro ny sarany


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

Mila ahena na soloina mihitsy ny hetra alaina amin’ny lafiny nomerika hoy ireo mpisehatra amin’izany

 nandritra ny fampahafantarana ny hetsika “25 ans de patriotisme numérique” tetsy amin’ny ARTEC (Autorité de Régulation des Technologies de Communication) Alarobia. Ambony loatra ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana (Droit d’Accise) amin’ny sehatra fifandraisan-davitra voasoritra ao anatin’ny Lalànan’ny Tetibola (LFI) 2019 hoy ny teo anivon’ny Internet Society (ISOC) sy ny NIC-MG. Tsy tokony ampitoviana amin’ireo vokatra toy ny toaka sy sigara na ny harena an-kibon’ny tany izay tokony hangalana hetra ambony ny hetra alaina satria ny sehatra nomerika no hampiray ny Malagasy rehetra ary hiteraka fampandrosoana ara-toekarena. Rehefa mihena io hetra io dia hihamaro be ny hisitraka ny fampiasana ny fitaovana hiseraserana. Amin’izao dia vitsy ny Malagasy misitraka izany satria lafo hatrany ny sarany noho io hetra ambony be alaina io. Samy hahazo tombony avokoa anefa na ny fanjakana na ny mpandraharaha, indrindra ny vahoaka rehefa midina io hetra io ary ho hihazakazaka ny fandrosoana. Amin’ny 12 sy 13 desambra ho avy izao moa ny hanatanterahana ny hetsika fihaonam-be iraisam-pirenena mahakasika ny nomerika izay hotanterahina etsy amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano. Hisy ny manampahaizana manokana hiresaka momba izany ary hanao famelabelaran-kevitra maro mihitsy  hanazava ireo sehatra manodidina ny nomerika.

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT