Sosialy

Sehatra Lavanila Nahazo vatsy 3 tapitrisa dolara avy amin'ny USAID


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Misy ny fiaraha-miombon’antoka amin’i firenena Malagasy sy ny fanjakana amerikana eo amin’ny sehatry ny lavanila.

 

 

 

 

 Famatsiam-bola avy amin’ny alalan’ny sampandraharaha Amerikanina misahana ny fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) ho fanatsarana ny fiveloman’ny mpamboly miisa 3000 izany. Tanjona ihany koa ny fikajiana ny karazan-java-manan’aina tsy manam-paharoa eto Madagasikara. Fanohizana fiara-miasa ho fanamafisana ny koperativan’ny lavanila eto Madagasikara izao amin’ny alalan’ny fiara-miombon’antoka “Global Development Alliance” (GDA). Haharitra 3 taona ny tetikasa ary mitentina 3 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola izay tafiditra ao amin’ny fandaharan’asa Conservation and Communities Project (CCP). Ankoatran’ny fikajiana ny zava-manan’aina sy ny fiarovana ny ala tsy ho potika dia tanjona ihany koa ny hamokaran’ireo avy amin’ny faritra SAVA sy Analanjirofo ireo lavanila amin’ny fomba maharitra sy lovain-jafy. Efa mihamarefo ireo karazan-javaboahary eto Madagasikara nohon’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ireo loza voajanahary kanefa 80%n’ny zava-manan’aina sy ny zava-maniry dia eto amin’ny firenena ihany no ahitana azy. 3,36 tapitrisa hektara no velaran-tany misy ala efa simba tanelanelan’ny 2001 sy 2018 izay nampihena ny fahafahan’i Madagasikara mihazona ny etona karbona ka izany rehetra izany no tsy maintsy hanaovana ny ezaka rehetra hoy ny fanambarana.

 Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT