Sosialy

Sehatra iombonana ho an’ny fananantany «Tsy tokony hiteraka fahantrana ny Tanà-Masoandro»


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Azon’ny fanjakana atao ny maka tanim-panjakana iray noho ny tombontsoan’ny daholobe araka ny lalàna and. faha 34 ao anaty lalàmpanorenana sy efa voafaritra mifandraika amin’izany.

 

 

 

Ny fanorenana irery ihany no azon’ny vahoaka toherina raha toa ka mifanaraka amin’ny fifanarahaa amin’ny tombam-bidy napetraka fa tsy ilay tetikasa manontolo mihitsy. Ny «Expropriation pour cause d’utilité publique» dia azo atao tsara, hoy ny mpandrindra ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (SIF), Atoa Eric Ramparison. Nefa kosa dia teknika izany. Ny fandavana dia eo amin’ilay lanjan’ny vola nifanarahana. Matoa kosa miditra amin’io resaka «Expropriation pour cause d’utilité publique» dia tsy misy intsony ny fifampiresahana ary tsy maintsy miala ao ilay olona. Ny lalàna no milaza an’izany mazava tsara, hoy izy. Antony voalazan’ ny lalàmpanorenana dia ny tombontsoan’ ny rehetra. Voalazan’ny «politique opérationnelle» eo amin’ny banky iraisam-pirenena lah. 4.12 kosa fa na tsy ara-dalàna ny fipetrahan’ilay olona teo amin’ilay toerana dia tokony hitadiavana ny maritra iraisana. Izany hoe raha tafapetraka izay toe-tsaina izay dia tsy tokony hiteraka fahantrana ho an’ilay olona ilay tetikasa

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT