Sosialy

Sehatra Ifoton’ny Fananan-tany Olana hatrany ny mpanao politika


  • Zoma 18 Janoary 2019

Olana lehibe ho an’ny fananan-tany ny mpanao politika sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’io sehatra io, hoy ny fiarahamonim-pirenena mivondrona ao amin’ny Sehatra Ifoton’ny Fananantany (SIF).

 

 

 

 

Mieritreritra mantsy izy ireo fa azy ireo mihitsy ny tany, hoy ny SIF, ary tena mora aminy ny manao kolikoly amin’ireo mpiasa ao amin’ny fananan-tany. Hanohitra izany no antom-pisianay, hoy izy ireo nandritra ny fivoriana omaly alakamisy tetsy Antanimena nanaovany jery todika sy tatitry ny zavatra vita sy ny tomban’ezaka amin’izao taona vaovao izao izay niatomboka tamin’ny fanovana ny fitsipika anaty. Nampatsiahy ihany koa izy ireo fa noho ny asa nataon’ny  SIF no nampiova ny politikan’ny fananan-tany tamin’ny taona 2015 izay nanome tombony kokoa ny vahoaka Malagasy. Vokatr’izay politika izay no nanomezana fahefana ny kaominina hitantana ny tany ao aminy ka namaha olana tamin’ireo olona mipetraka any amin’ny faritra. «  Amin’ny maha fiarahamonim-pirenena anay  dia tsy hisalasala mihitsy izahay hanambara ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena mahakasika ny fananan-tany », hoy ny filoha Randrinomenjanahary Haingoharison. Namoahan’izy ireo boky mihitsy moa izany ary ezahina haparitaka satria efa mandrakotra ny faritra 22 ny SIF ary miaraka amin’ireo fikambana maro  izay tena misehatra eny ifotony tahaka ny fivondronan’ny tantsaha. Na izany aza dia nilaza izy ireo fa ny politika sy ny stratejia ihany no azon’ny SIF atolotra fa ny fanatanterahana dia tena andraikitry ny fanjakana. Izany indrindra no ilana fihaonana sy fifandresen-dahatra mba tsy hanampa-pahefana sy hanao kolikoly foana ny mpanao politika, hoy ny SIF.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT