Sosialy

Sehatra fanodinana fako eto Madagasikara Manome asa ireo vehivavy sahirana


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Omaly alarobia 28 novambra no nanatanteraka ny fivoriana faharoa tetsy amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana tetsy Antsahavola ny mpikambana tao amin’ny ADDEV (Agir pour le Développement Durable et l’Economie Verte).

 

 

  Nanao jery todika sy namelabelatra ny zava-bita nandritra ny enim-bolana farany tamin’ity taona ity ary nanao tombana ny zavatra hatao amin’ny taona 2019 izy ireo. Raha ny amin’ny zava-bita dia efa nisy ny fifanaovan-tsonia niaraka tamin’ny minisiteran’ny tontolo iainana tamin’ny volana septambra lasa teo nahafahana nampirisika bebe kokoa ny mpikambana izay miisa 50 eo ho eo hirona tanteraka amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Mitohy ihany koa ny tetikasa fanavotana sy ireo fanofanana ny  mpikambana handinihina hatrany ny hoavin’ny ADDEV sy ahafahana misitraka ny tetikasa lehibe maneran-tany Green Climate Fund (GCF). Tamin’izany indrindra dia nisy mpikambana 2 tao amin’ny ADDEV nahazo ny certification ISO 26000. Tsiahivina ihany koa fa ny tetikasa fanavotana dia fanampiana ireo vehivavy sahirana anatin’ny fokontany  miisa 8 eto Antananarivo. Orinasa 26 no manampy ireo vehivavy sahirana amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo ny taratasy sy gazety tsy ilain’ny orinasa intsony. Miteraka asa ho azy ireo izany satria ireo taratasy sy gazety ary ny tavoahangy tsy miasa voaray dia mbola ahodin’ny tompon’andraikitra ho lasa zavatra hafa azo ampiasaina sady mitera-bola. 

Tsirinasolo

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT