Sosialy

Sehatra fambolena eto Madagasikara Afaka hiteraka fampandrosoana raha….


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Amin’ny 60 tapitrisa ha amin’ny velaran-tanin’i Madagasikara dia mbola misy 18 tapitrisa ha be izao ny tany mamokatra kanefa tsy voavoly.

 

 

Tombony be ho an’ny firenena izany ary tokony hahafahana mbola mampiroborobo ny sehatra fambolena izay iveloman’ny ankamaroan’ny Malagasy. Ny fitrandrahana izany tany tokony mbola anaovana fambolena izany dia hanome vahana ireo tantsaha maro be izay maro mitomoe-poana. Mahasehaka tanteraka ireo tantsaha maro an’isa mantsy raha io tany mbola malalaka be io. Tokony hanararaotra ny Malagasy satria any amin’ny firenena hafa dia efa olana be amin’izao ny tsy fahampian’ny tany hanaovana fambolena na dia maro aza ireo mahay misehatra amin’izany. Rehefa voafehin’i Madagasikara tsara ny fampiasana sy ny fitrandrahana tsara ireo tany mbola malalaka ireo dia tsy horesahana eto amin’ny firenena intsony ny olana tsy fanjarian-tsakafo. Mamokatra ny tanin’ny firenena Malagasy ary izany no mahatonga ireo vokatra ananana tombony tahaka ny lavanila, ny jirofo, ny letsia, ny kafe ary ny kakao saingy mbola ho tombony hatrany raha voatrandraka ireo tany mbola malalaka ahazoana manao fambolena.

Tsirinasolo

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT