Sosialy

Sefom-pokontany ao Boriziny Roa taona tsy nandray karama


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Nandefa taratasy fanairana tamin'ny Lehiben'ny distrika ao Port Bergé ireo Sefom-pokontany any an-toerana sy ny lefiny fa tsy hanao ny asa napetraky ny fanjakana aminy noho ny tsy mbola nahazoan’izy ireo ny

tambin-karamany tao anatin’ny roa taona. Vola 20.000 Ar monja isaky ny sefom-pokontany anefa no mba alaina amin’izany saingy mbola hampifilafilaina ihany no sady elabe vao tonga. Tsy handray anjara amin'ny fanomezana kopia faobe sy fanavaozana ny lisi-pifidianana ho an’ireo feno 18 taona rehetra isam-pokontany araka izany izy ireo. Mety hiova kosa anefa ity fanapahan-kevitra ity raha toa ka tonga soa amantsara eo am-pelatanan’izy ireo ny tambin-karamany hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay taratasy nanangonan’ireo sefom-pokontany ny sonian’izy ireo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT