Mitaraina ny ankamaroan’ireo sefo fokontany sy ny lefiny ary ny fikambanan’ny mpitantsoratra sy ny mpitambola na ny ATS “Association Trésorier Sécretaire”, noho ny tsy fandraisan’izy ireo ny tambin-karama amin’izao.
Ny volana janoary no ho mankaty no tsy noraisin’izy ireo, ka mitaraina sy manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra voakasika amin’izany, ireto mpiasa eny anivon’ny fokontany ireto. Saika ny ankamaroan’izy ireo, mivondrona ao anatin’ny 192 fokontany ato anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ireto tsy nandray karama ireto. Nisy ny fivoriana niarahan’ny ATS tamin’ireo tompon’andraikitry ny kaominina, nitakiana azy io, saingy tsy mbola nisy valiny hatramin’izao. Tsy ireo fikambanana ireo ihany no tsy nandray karama fa nisy tamin’ireo sefo fokontany sy ny lefiny koa. Ankoatra izay, mbola misy karama tsy voaray ihany koa ny an’ny sefo fokontany tamin’ny taon-dasa. Araka ny siosion-dresaka koa, hisy ny fanoloana ireo sefo fokontany sy ny lefiny, ho an’ireo izay tsy nahazoana vato tamin’ny fifidianana depiote farany teo, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Efa nosoloina izao ny etsy Besarety, Ankorondrano, raha ny vaovao azo hatrany.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.