Mihodina saingy manao « service minimum » ny orinasa Secren ao Antsiranana manomboka anio, nalefa « congé payé » ny androatokon’ny mpiasa.
Noraisina ny fanapahan-kevitra, hoy ny eo anivon’ny fitantanana ny orinasa, ho fanajana ireo fepetra fisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Teo koa fisian’ilay lehilahy iray, 49 taona, mpiasan’ny Secren namoy ny ainy ny zoma 10 jolay lasa teo, rehefa notsaboina tao amin’ny Hopitaly Miaramila ao Antsiranana. Tsy nahazo alalana nentina tany an-tranony ity faty ity fa notazomina tao amin’ny hopitaly, ary nalevina avy hatrany ny sabotsy ampitson’ny nahafatesany. Misy 700 eo ny mpiasan’ny Secren, 200 amin’ireo no hisahana ny « service minimum » sy hiantoka ny fanamboarana sambo AMORY miantsona ao an-toerana. Manoloana ny fisian’ny valanaretina covid19 dia mikatona avokoa ny fiangonana rehetra sy « mosquée » ao Antsiranana araka ny nambaran’ny Prefen’Antsiranana. Tsy afaka mifandray ireo Distrika ao amin’ny Faritra DIANA afa-tsy Antsiranana 1 sy Antsiranana 2. Mihatra ny « couvre feu » eo anelanelan’ny amin’ny 9ora alina hatramin’ny 04ora maraina. Mikatona avokoa ny toeram-pisakafoanana sy fisotroana, mirava amin’ny 3ora tolakandro ny mpivarotra eny an-tsena. Roa ihany ny olona Azon’ny bajaj entina. Mbola mandeha an-tsekoly kosa hatreto ireo mpianatra kilasim-panadinana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.