Sosialy

SECES Antananarivo “Mananontanona eto amin’ny firenena ny mosary ara-bary”


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Amin’izao taom-pamokaram-bary izay voatohintohin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fihafanan’ny tany izao dia misedra olana goavana ireo tantsaha mpamoka-bary satria zary lasa tsy voafehiny intsony ny fotoam-pambolena

amin’ny tany famokarany, hoy ny fanambaran’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES eto Antananarivo omaly. Tsy latsa-danja amin’ireo no hita saika manerana ireo sompitra ara-bary eto Madagasikara toa an’Alaotra sy Marovoay, hoy izy ireo. Raha ny tena marina dia mihantona tsy mety milatsaka ny orana any Alaotra ankehitriny. Mbola latsaky ny 10%n’ny toeram-pambolena isan-taona no voavoly vary. Efa manify dia manify ny tahirim-bary any Antsihanaka amin’izao fotoana izao satria tafakatra 800 Ariary ny vidin’ny vary fotsy iray kapoaka. Raha tsy misy ny firotsahan’ny orana ampy sy matetitetika faran’izay haingana any amin’ireo sompitra ireo dia tsy azo ihodivirana ny fisian’ny mosary goavana eto amin’ny tany sy ny firenena amin’ny taona hoavy 2023. Vahaolana mahomby no aroson’ny SECES Sampana Antananarivo dia ny fandrotsahana orana artifisialy misesisesy any an-toerana rehefa azo antoka fa feno ny fepetra ahafahana manatanteraka izany. Miantso ny fitondram-panjakana mahefa ny SECES Sampana Antananarivo mba handray andraikitra haingana ho fisorohana ny mosary ara-bary izay mananontanona eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy hatrany ny SECES Antananarivo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT