Sosialy

SE BTP Resy lahatra amin’ny asan’ny CNaPS


  • Zoma 03 Jolay 2020

Tontosa ny alakamisy 02 jolay 2020 teny amin’ny Hotel IBIS Ankorondrano ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny CNaPS sy ny Syndicats des Entrepreneurs en Batiments et Travaux Publics.

 

 

 

 

 Nanotrona izany ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny trano fonenana ary ny asa vaventy Hajo Andrianainarivelo. Tanjon’ireo orinasa mandraharaha amin’ny sehatry ny tao-trano ny hanaja ny zon’ny mpiasa ka izay no nanatonany ny Tahirim-pirenena. Hatramin’izay dia ny milina no heverina hatrany fa  manodina ny orinasa ary toa zary adino ny zo- maha-olona. Raha tsy eo anefa ny olombelona dia tsy hiroborobo mihitsy ny orinasa ary tsy hisy fampandrosoana. « Mahatsapa izahay fa be loatra ny asa koa dia raisinay andraikitra ny fanomezana fiahiana ara-tsosialy ireo mpiasa satria tsy handroso mihitsy ny firenena raha atao tsinotsinona ny zon’olombelona. Izahay dia efa mpikambana CNaPS ary miisa 80 eo ny orinasa mivondrona ato anatin’ny SE BTP » hoy ny filohan’ny SE BTP Hary Andriatefihasina.Tsy afa-misaraka amin’ny asa fampandrosoana ny fiahiana ara-tsosialy. Rehefa mifantoka tsara amin’ny asany mantsy ny mpiasa dia ho tsarany foto-drafitr’asa vitany ka dia handroso ny firenena.Izahay ao amin’ny Ministera dia hanentana ireo orinasa hafa mba hanaja ny zon’ny mpiasa satria rehefa voaaro ny zony dia hamokatra bebe kokoa ny mpiasa. » hoy kosa ny Minisitry ny Fanajariana ny tany, ny trano fonenana ary ny Asa vaventy Hajo Andrianainarivelo.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT