Sosialy

Savorovoro teny Mahazo sy Ambohimahitsy Nidoboka am-ponja ireo olona nisambotra ankizy


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Niakatra fampanoavana omaly 03 novambra ny raharaha savorovoro teny Mahazo sy Ambohimahitsy ny alatsinainy 01 novambra lasa teo.

 Nidoboka am-ponja vonjimaika ireo olona roa tompon’ny trano noho ny fisamborana olona tsy ara-dalàna ireo ankizy voalaza fa tratrany nangalatra. Roalahy kely nalefa eny amin’ny Toby fanarenana eny Bevalala, ary lahikely iray nalefa eny Anjanamasina. Raha hiverenana kely ny tantara, dia tovolahikely iray vao 13 taona eo no voalaza fa tratran’ireo tompon-trano nangalatra tao amin’ny tananany teny Ankadindambo Ambohimangakely ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 1ora tolakandro. Nosamborin’ny tompon-trano, nentin’izy ireo teny amin’ny tsenan’i Mahazo hanoro ny namany, nataon’izy ireo tao anaty «malle». Fahadisoan’ireto nisambotra ny tsy fampandrenesana ny zandary na ny polisy fa tonga dia nikaroka ireo naman’ilay tovolahikely hafa nolazain'ity efa tratra ity. Rehefa nandeha ny fikarohana dia hitan'izy ireo teo amin'ny tsena Mahazo manelanelana ny OTIV sy BOA ny namany roa. Ary avy hatrany dia nosamborin'izy ireto farany ary natsofok'izy ireo tao anaty "malle arrière" ny fiara. Teo no noheveran'ny mponina nanatri-maso fa mpangala-jaza ireo olona voalaza ireo ka raikitra teo korontana sy savorovoro. Rehefa nandre ny zandary, dia niditra an-tsehatra, nanao izay nialan’ilay fiara efa novakian’ny olona ny kodiarana aloha, ary efa nokasaina hovonoina ireto nambara, fa mpangala-jaza, ka nentina avy hatrany namonjy ny tobin’ny mpitandro filaminana. Niteraka korontana sy fanakanan-dàlana teny Ambohimahitsy ny raharaha ny takariva. Io aloha izany ny didy vonjimaikan’ny fampanoavana, ka andrasana ny tohiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT