Sosialy

Savorovoro tao Fianarantsoa Olona 7 no hiatrika fitsarana


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Olona miisa 7 no voaroiroy ary hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ao Fianarantsoa, taorian’ilay raharaha nitranga tany an-toerana ny 25 septambra

 

 

 teo, nanatanterahana didy mikasika ny fandravana ireo foto-drafitrasa tsy nanara-dalana niorina teo amin’ny La Vallée manamorona ny lalam-pirenena faha-7 manoloana ny Descours & Cabaud. Raha tsiahivina kely mantsy ny tantara dia nisy olona nanana tamin’ireo foto-drafitrasa noravana ireo no tsy nankasitraka sy nanakana izany ary nitora-bato ireo olona izay nanatanteraka ny asa fandravana. Nisy ny savorovoro nandritra izany ka nahavaky ny fitaratra anoloana (pare-brise) sy fitaratra amin’ny sisiny (vitre lateral) ny fiaraben’ny kaominina ambonivohitr’i Fianarantsoa miisa roa. Ny zandary sy ny polisy any an-toerana moa no nifandrimbona nanao ity fanadihadiana ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT