Sosialy

Savorovoro tany Toamasina Saika raikitra ny fandrobana, 3 voasambotra


  • Zoma 27 Martsa 2020

Mafampana ny toe-draharaha ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Ho an’ny omaly dia nisy ny fitokonana nataon’ireo mpitarika posy tao Morarano

 

 

 nanomboka tamin’ny 9 maraina, nitaky ny mba hamelana azy hiasa ny tapak’andro maraina. Tsy manaiky ny tsy famelana tsy hiasa sy ny tsy fisian’ny tambiny. Nandoro kodiarana, ary nisy ny andian’olona saika hamaky tranom-barotra, saingy voasoroka. Polisy iray naratra teo amin’ny lohany, voatery nanaparitaka azy ireo ny mpitandro filaminana. 3 kosa voasambotra. Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia mbola misy ihany ny olona mifamezivezy ho an’ny tapany maraina satria amin’ny 12ora rahateo no tsy maintsy mikatona ny tsena rehetra, raha ny fepetra noraisin’ny fanjakana. Mbola misy, ohatra, ny restaurant ana vazaha misokatra ao Bazary Be, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Voahaja ihany ny tsy fahafahana mivoaka ny trano ho an’ny kartie sokajiana ho misy ireo manan-katao, fa any amin’ireo kartie feno vahoaka sahirana izay ny hohanina anio tadiavina anio, dia tena mifamoivoy tanteraka ny olona. Asa izay hambaran’ny fanjakana, fa raha ny laizain’ireto mpitarika posy ireto, dia tsy isan’ireo misitraka ny tohana ara-tsosialy avy amin’ny mpitondra izy ireo. Manahirana ny hiresaka an’ity saingy izay no ambaran’ny sasany amin’izy ireo: ny mpivaro-tena aza homena, dia nahoana izahay no tsy mahazo. Na izany na tsy izany, dia tsapa fa tena manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro filaminana ka toy ny tanàna maty i Toamasina ny tapany atoandro. Nanome fe-potoana hatramin’ny anio izy ireo handaminan’ny fanjakana ny toe-draharaha. Somary lasa miteraka adihevitra diso toerana sy lasa fihomehezana ihany ny toe-draharaha eto amintsika hoe: amin’ny maraina ve izany tsy dia mahery sy tsy mifindra ny coronavirus fa amin’ny atoandro mivadika lasa mahery vaika sy tena hatahorana? Tokony hisy ny paikady hafa hapetraky ny fanjakana!

Toky R sy Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT