Sosialy

Savorovoro tany Nosy Varika Tezitra ireo traboina, nirefodrefotra ny basy


  • Zoma 18 Febroary 2022

Raikitra ny sakoroka tany Nosy Varika omaly. Tezitra mafy ny vahoaka traboina ka nitokona niandry sy nitaky ny voalaza fa anjara fanampiana ho azy vokatry ny fampanantenana nataon’ny Mpitondra.

 Nilaza ho noana ireo vahoaka lasibatry ny rivodoza Batsirai satria mbola tsy nisitraka fanampiana avy tamin'ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina izy ireo ka nanohy ny fitokonana, ary niafara tamin’ny famakiana ny "Magasin de Stockage" misy ny vary heverin’izy ireo fa nataokana ho an’ny traboina rehefa maty ny masoandro. Poa-basy nirefodrefotra kosa no setrin'izany tao Nosy Varika manoloana ny biraon'ny Distrika, nangotraka ny sakoroka ny alin’io omaly alakamisy 17 Febroary io. “Tsy nahafaly ireo vahoaka traboina ny fanomezana fanampiana kiantranoantrano ka izany no anton'ny fihetseketsehana ary milaza ny vahoaka any Nosy Varika fa tsy mbola nisy poa-basy tao Nosy Varika raha tsy izao”, hoy ny fampitam-baovao. Mampahafantatra sy manao antso avo amin'ny Filoham-pirenena ny vahoaka ao Nosy Varika fa tsy mbola nisitraka ny vary 64 taonina nalefa avy tany Mahanoro fa ireo olona akaiky ny tompon'andraikitra (olom-boafidy sy manampahefana) no nahazo tamin'izany, hoy ny fanamarihana. Endriky ny fahantrana lalina sy fahoriam-bahoaka ny tahaka izao. Io ihany koa no isan’ny fiantraikan’ny fitezana vahoaka amin’ny resaka kizarazara sy kitolotolotra. Ny rehetra no efa samy mahatsiaro ho sahirana, kanefa misy ny mahazo ary misy ny tsy mahazo. Ilaina ny fanampiana vonjimaika amin’ny fotoana tahaka izao, saingy mila mitady vahaolana maharitra, mila hatsaraina ny politikam-pamokarana, fa raha izao hatrany no hitezana vahoaka, izay matetika misy kajikajy politika, dia tsy ho tafavoaka isika na afaka 60 taona aza. Tsy tokony hararaotina sy taingenana amin’ny kajikajy politika ihany koa ny fahorian’ny Malagasy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT