Sosialy

Savaravon’ambany tanàna Fandaharana natao hanovana ny fomba fijery


  • Zoma 03 Septambra 2021

Miezaka hatrany ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy no sady filoha tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manova

 ny fomba fijeren’ny rehetra ny olona miaina sy beazina eny ambany tanana. Raha natao fitaovana politika entina hanonganam-panjakana,…. no tena nahafantaran’ny maro azy ireny teo aloha dia te-hanova tanteraka izay fomba fijery izay Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany fa olona tahaka ny olona rehetra manam-piniavana sy vonon-kandresy amin’ny fiainana ny mponina eny ambany tanana ka tokony hotohanana. Ho azy manokana dia maika sy hentitra ny famoronana asa ho azy ireny, tetikasa izay efa natombony volana iray lasa izay. Tsy misy mpitondra tsy nahavita zavatra izany teto amintsika hoy izy fa ny vahoaka no matory. Efa tsy fotoanan’ny fatoriana intsony anefa izao hoy izy fa tokony samy hiezaka ny tsirairay. Lohalaharana amin’ireny ny fahatsapan-tena amin’ny famelomana ny ankohonana amin’ny alalan’ny asa fitadiavana, ny fanovana ilay toe-tsaina kamo be tenda… Tsy vita mora anefa izany, antony manosika an-dRafanomezantsoa hikarakara ilay fandaharana Savaron’Ambany tanana izay natomboka omaly. Handeha mivantana amin’ny vata fahitalavitra Real TV io fandaharana io hanasana mpanao gazety maro. Tanjona ny hahafahana manabe ny mpiara-belona sy manova ny fomba fijerin’ny rehetra hahatongavana any amin’ny tena fampandrosoana marina.
Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT