Sosialy

SAVA sy Analanjirofo Mifaninana ireo mpividy lavanila


  • Talata 19 Jolay 2022

Mifaninana ireo orinasa misehatra amin’ny lavanila any amin’ny Faritra SAVA sy Analanjirofo amin’izao fotoana izao, raha ny fampitam-baovao marim-pototra.

Taorian’ny grevin’ny tantsaha tahaka ny tany Sambava, efa somary niova ny sary mifarombaka mividy amin’ny vidiny 75 000Ar ny kilao ireo mpanangom-bokatra rehefa manenjana tsy hanao varobaba ny vokatra nisasarany ny olona. Io 75 000Ar io rahateo ny vidiny farany ambany nameran’ny Fanjakana ny vidin’ny lavanila, ary efa hiditra tapa-bolana amin’ity herinandro ity ny nisokafan’ny taom-piotazana. Hatreto, somary nisinda ny ahiahy amin’ny hisian’ny fanararaotana noho ny efa fisian’ny fifaninanana hividy ny vokatra satria vao nisy mpandraharaha mpanangom-bokatra vitsivitsy niditra tamin’ny fividianana ny vokatra amin’ny vidiny tokony ho izy, dia nikorapaka ny rehetra tamin’ny ankapobeny ka mirohotra mividy ny lavanila. Isan’ny ahiahian’ireo mpanangom-bokatra sasany moa teo aloha teo ny hoe raha hividy ny vokatra, sao tsy hahazo ny fahazoan-dàlana manondrana na « agrément », saingy ny fahitana ny fahamaroany mihazakazaka mividy ny lavanila dia midika fa misy ny antoka, ary misy foana ny vahaolana.

Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT