Sosialy

Sata mifehy ny fiahiana sosialy Mety hivoaka amin’ity taona ity


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Mila avaozina ny sata mifehy ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny asa sy fampanan’asa, Rivotiana Jean Bosco,

ary mila itarina ihany koa ny sehatr’izany satria efa misy sehatr’asa vaovao koa maneran-tany manomboka maha tafiditra an’I Madagasikara. Ny fanadihadiana nataon’ny solontena malagasy tamin’ny fifaninanan’ny rafitra afrikanina CIPRES, izay nahazo ny laharana faharoa, hoy izy, dia ahafahana mitondra ainga vaovao ho an’izany fiahiana ara-tsosialy izany. Eo ny fametrahana ny lalàna sy ny fanavaozana izany fa any ivelany ny fametrahana ny fiahiana sosialy dia tsy maintsy atao ho an’ny mpiasa rehetra. Olana eto amintsika ny hoe betsaka ny tsy ara-dalana fa eo koa ny hoe noho ny fahantrana dia tsy mahafoy ny kely eo am-pelantanany ny olona andeha hanao latsakemboka amin’izany fiahiana ara-tsosialy izany fa ny anjaran’ny minisitera sy CNaPS dia ny fanentanana sy fanoroana ny mpiasa rehetra hatramin’ny orinasa mikasika ny tokony atao momba izany. Niditra filankevitry ny governemanta anio (TTF: omaly) ny sata mifehy ny asa na “code de travail”. Heritreretina hiditra amin’ny fivoriana ara-potoanan’ny parlemanta amin’ny may sy jona izany. Lavalava kosa ny dingana ho atrehina mikasika ny sata mifehy ny fiahiana ara-tsosialy. Misy sehatra sy paikady maro ifampidinihana ao fa araka ny dinika sy paik’andro izay natao dia amin’ity taona ity ihany no mety hamoahantsika izay sata mifehy ny fiahiana ara-tsosialy izay, hoy hatrany ny minisitra.
J. Mirija
Legende: Ny minisitry ny asa sy fampananan’asa, Rivotiana Jean Bosco
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT