Sosialy

Sata mifehy ny asa Ahiana hampikorontana


  • Zoma 06 Aogositra 2021

Nanomboka ny volana novambra 2020 ny Randrana sendikaly no nikirakira ny tokony hanatsarana ny sata mifehy ny asa eto Madagasikara, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barison Rakotomanga.

 Efa tokony hisy ny fanovana satria tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro intsony ny voarakitra ao, hoy izy. Nisy moa ilay santatr’asa na “avant projet” tokony nalefa tany amin’ny CNT. Nihemotra io filankevitra nasionaly momba ny asa io dia nahafahan’ny sendika nanavao sy nanamafy ireo fanadihadiana tokony mbola hatao. Tsy tokony hiolonolona foana hiainga fotsiny amin’ny zavatra hita kely eo isika. Tokony jerentsika ny zava-misy marina eny amin’ny toeram-piasana eny dia mampitovy ny sata mifehy ny asa eto any amin’ny firenen-kafa. Miara-miasa amin’ny sendikan’ny mpitsara isika dia nandrafitra izay atao hoe “droit comparé” izay dia vita ilay izy. Ny farany moa dia nandefa taratasy tany amin’ny minisitera hanolotra io volavolana soson-kevitra io izahay dia miandry ny valin’izany hatramin’izao. Ny heno aza moa dia hoe tsy handray ny volavolan-kevitra avy aty aminay zareo fa hoe tsy vovonana maha solontena ireo mpiasa ny sendika. Eto Madagasikara anefa tsy misy lalana mametraka izany vovonana izany. Ny misy eto dia fifandaminana sendikaly hisolotena ny mpiasa, izany hoe, ny sendika iray dia manana delegen’ny mpiasa 10% mihoatra amin’ny isan’ny delegen’ny mpiasa eto Madagasikara. Mety tsy ho olana aminay na handray izy na tsia fa izahay miheritreritra fa hery mpanolon-kevitra ny sendika ka antony hisisihanay amin’izay fahafaha-manolon-kevitra izay. Tsy zavatra kely tsotsotra ity fa miresaka ny ain-dehiben’ny mpiasa. Aman-taonany isika vao afaka hikitika an’io. Tokony ho afa-nenina amin’ny fandinihana ny rehetra vao alefa any amin’ny CNT sy ny hafa ity fanitsiana ny sata mifehy ny asa ary raha sanatria tsy handray moa ry zareo dia miditra amin’ny fandresen-dahatra eny amin’ny antenimieram-pirenena izay natao handany azy io izahay. Efa traikefa nandalovan’ny mpanao gazety tamin’ny resaka sata mifehy ny fifandraisana izay niafara tamin’ny hetsi-panoherana io ka tsy maintsy hiafara amin’izany koa ny anay raha ohatra miziriziry hampihatra an-kery ilay soson-kevitra amin’izao fotoana ireo manam-pahefana, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT